Atelier Django Girls eto Antananarivo

Mihamaro hatrany ny kalakely no mihaliana amin’ny resaka « technologie ».

Ny Atelier Django Girls dia atrikasa ahafahana mianatra hampiasa ilay framework « Django »; fitaovana hamoronana application web.

Tsara vintana isika eto Antananarivo fa hampiantrano Atelier Django Girls ny American Center Tanjombato ny alatsinainy 15 aogositra ho avy izao. (andro tsy iasana no sady tsy ianarana io an)

Io atrikasa io moa dia hatao amina tanàna maro manerantany: Berlin, Washington, Bordeaux, Tunis, sns, Izany hoe atrikasa tena goavana sady fanta-daza.

Ny tombony lehibe amin’io atrikasa io dia izy maimaim-poana, izany hoe misoratra anarana fotsiny ianao raha te handray anjara.

Ny farany fanoratana anarana dia ny 20 jolay ho avy izao, ary ito rohy ito no ahafahana manao izany:https://djangogirls.org/antananarivo/apply/

Marihana fa tsy misy vola aloa, tsy misy vidim-pidirana 😛

Tsy voatery manana traikefa amin’ny tontolon’ny web ianao vao afaka mandray anjara fa na ireo vao manomboka aza dia afaka misoratra anarana,

Ny azoko lazaina farany angamba dia ny hoe manoratà anarana sao mba anisan’ireo voafantina. Mba mahay zavatra vaovao ihany koa amin’izay! SADY hisy cookie hono any!!! 😉 huhuhuhu.

Share Button

Be the first to comment

Leave a Reply